Hankany amin'ny vontoatiny

Michelle Obama

Avy amin'i Wikipedia
Michelle Obama (2025)

Michelle LaVaughn Robinson Obama (teraka ny 17 Janoary 1964) dia vehivavy Amerikana mpahay lalàna, mpanoratra, mpanentana ara-tsosialy, ary vadin’ny filoha teo aloha Barack Obama. Izy no First Lady faha-44 tao Etazonia, sady vehivavy mainty hoditra voalohany nitana izany andraikitra izany (2009–2017).

Fiainana tany aloha

[hanova | hanova ny fango]

Teraka tany Chicago, Illinois i Michelle Obama, zanakavavin’i Fraser Robinson III sy Marian Shields Robinson. Nahavita fianarana tao amin’ny Oniversiten’i Princeton sy Sekoly ambony momba ny lalàna ao Harvard (Harvard Law School), ary nanomboka niasa to amin’ny sehatry ny lalàna sy ny fikarakarana fiarahamonina.

Fianakaviana

[hanova | hanova ny fango]

Nifanena tamin’i Barack Obama izy tamin’ny taona 1989, fony izy niasa tao amin’ny orinasam-pisoloana vava iray tao Chicago. Nivady izy ireo tamin’ny taona 1992, ary manana zanaka roa vavy: Malia sy Sasha.

First Lady (2009–2017)

[hanova | hanova ny fango]

Nandritra ny naha Première Dame azy, nanangana sy nanentana fandaharan’asa ara-tsakafo, fanabeazana, ary fanatanjahan-tena ho an’ny ankizy i Michelle Obama, toy ny hoe "Let’s Move!". Nandray anjara mavitrika koa izy tamin’ny fanohanana ny zon’ny vehivavy sy ny fanabeazana maneran-tany.

Asa soratra

[hanova | hanova ny fango]

Tamin’ny taona 2018, namoaka boky nahomby mitondra ny lohateny hoe Becoming i Michelle Obama. Nanjary bestseller iraisam-pirenena izany, ary nahazo fankasitrahana tamin’ny fomba nanehoany ny tantaram-piainany sy ny ady sarotra natrehiny.

Fankasitrahana sy fiantraikany

[hanova | hanova ny fango]

Maro amin’ny olona maneran-tany no mihevitra an’i Michelle Obama ho iray amin’ireo vehivavy manandanja sy mpandray anjara lehibe amin’ny fiarahamonina sy ny ady ho an’ny fitoviana ara-piarahamonina. Anisan’ireo vehivavy asongadin’ny fanentanana #SheSaid ao amin’ny Wikiquote izy noho ny teniny manan-danja.