Wikipedia:Efemerida/28 Martsa
Fiseho
Androany 28 marsa:

- Earth Hour hetsika marihan'ny WWF isan-taona.
Lohahevitra anio: "Manomeza ora iray ho an'ny Tany".
- Andro fahatsiarovana ny fanafahana Andevo miisa Iray Tapitrisa tao Tibet, Repoblika Entim-bahoakan'i Shina

- 2021 - Fodiamandrin'ny Filoham-pirenena malagasy teo aloha Ratsiraka Didier
- 193 - Novonoin'ireo mpiambina Praetoriana Romana mpikomy ny Emperora Pertinax ary namidin-dry zalahy ho an'i Didierus Julianus ny fahefana maha-amperora.
- 1750 — nahaterahan'i Francisco de Miranda, Venezoelana sady mpanoratra no mpitarika miaramila, "mpialoha lalana amin'ny fanafahana an'i Amerika-Latina (hispanika)", niady tamin'ny Revolisiona Frantsay sy ny Ady ho amin'ny Fahaleovantenan'i Etazonia.
- 1882 - Sady lasa laîka ny fampianarana no tsy maintsy diavina ny sekoly fanabeazana fototra, izay efa maimaim-poana araka ny lalànan'i Jules Ferry.
- 1939 – Gorobaky ny Jeneraly Francisco Franco i Madrid ary nifarana ny Ady an-trano espaniôla efatra andro taty aoriana.