Wikipedia:Efemerida/23 Oktobra
Fiseho
Androany 23 oktobra:
- 1817: Fifanaovan-tsonia teo amin-dRadama Rainy sy ny solontenan'ny governora ao Maorisy Farquhar mampitsahatra ny fanondranana andevo avy eto Madagasikara haondrana ao La Réunion sy Maorisy, ary ny takalon'izany dia misy ny fandefasana fanamiana miaramila, fitaovam-piadiana sy vanja ary vola karazana onitry ny fatiantoka amin'ny vola tokony ho azo amin'ny varotra andevo. Avy amin'ny fifanampisam-pifanarahana taty aoriana no nandefasana miaramila hanofana ny Foloalindahy Malagasy. Avy amin'io fifanaovan-tsonia io no nametrahana an-dRadama Rainy ho Mpanjakan'i Madagasikara nankatoavin'ny Ampira Britanika, hery matanjaka indrindra tamin'izany fotoana izany.