Hankany amin'ny vontoatiny

Wikipedia:Efemerida/22 Aprily

Avy amin'i Wikipedia

Androany 22 avrily:

in god we trust
  • 1821 - Nahantona teo am-baravaran'ny fiangonana iray tao Constantinople, araka ny baikon' ny Sultan Mahmud II ny Patriarika Ekiomenika Gregory V noho ny adim-pahaleovantena Grika.
  • 1864 - Nolanian' ny Kongresin'i Etazonia ny famoahana vola madinika asiana soratra hoe "In God we Trust" fa tsy ny "E pluribus unum" toy ny teo aloha intsony. Izay soratra izay no mipetaka amin'ireo vola taratasy rehetra any Etazonia.
  • 1997 - Vita ny fanavotana ireo olona ambony takalon'aina (700 tany am-boalohany) nandritra ny 126 andro tao amin'ny trano fonenan'ny masoivohon'i Japàna tao Lima, renivohitr'i Però, nantsoina hoe : Bemidina Chavín de Huántar.[1]
  • 2004 - Fiaran-dalamby nipoaka tao Ryongchon, Faritanin'i Pyongan Avaratra, Korea Avaratra, ka nahafaty olona hatramin'ny 200, maherin'ny 1.500 no naratra ary maherin'ny 8.000 ny trano rava.
  1. ↑ https://fr.wikipedia.org/wiki/Op%C3%A9ration_Chav%C3%ADn_de_Hu%C3%A1ntar