Wikipedia:Efemerida/14 Aprily
Fiseho
Androany 14 avrily:

- 1831 – Fanjakana Breziliana: Nihiràna voalohany ny hiram-pirenena breziliana.
- 1865 - Novonoin'i John Wilkes Booth i Abraham Lincoln, Filohan'i Etazonia.
- 1912- Nidona tamin'ny vongan-dranomandry (iceberg) tamin'ny 23:40 ny sambo RMS Titanic izay noheverina fa tsy mety rendrika, nilentika tanteraka tokony ho tamin'ny 2:20 ampitso maraina.
- 1958 - Fahapotehan'ny zanabolana Sputnik 2. Nitondra alikavavy antsoina hoe Laika, izay maty fotoana fohy taorian'ny nametrahana azy teny amin'ny ôrbitra tamin'ny 3 Novambra 1957.
- 1976 - Voatendry ho Praiminisitra tao Kambodza i Pol Pot.
- 1999 - Sidina farany nataon' ny Tupolev Tu-144, izay nomen' ny Tandrefana anaram-bosotra hoe Concordski.