Wikipedia:Efemerida/13 Aprily
Fiseho
Androany 13 avrily :

- 1598 - Didin'i Nantes nosoniavin'ny mpanjakan'i Frantsa Henry IV, manaiky ny fahalalahana ara-pivavahana ho an'ny protestanta (Huguenots).
- 1829 — Lalàna ao Fanjakana Mitambatra manome ny Katolika Romana ao aminy zo hifidy sy hofidiana ho ao amin'ny Parlemanta.
- 1948 - Tao Sheikh Yarrah (akaikin'i Jerosalema), namono dokotera sy mpanampy mpitsabo ary mpianatra ho mpitsabo miisa izay jiosy avokoa miisa 77 ny tafika Arabo.
- 1972 — Nanapa-kevitra ny Universal Postal Union fa ny Repoblika Entim-bahoakan'i Shina ihany no solontenan'i Shina ara-dalàna, ka nesorina ny Repoblikan'i Shina (Taiwan).
- 1974 — Nandefa zanabolana ara-barotra Westar 1 ny Western Union (niaraha-niasa tamin'ny NASA sy Hughes Aircraft) ao Etazonia.
- 1987 - Sonia Fanambaràna Iraisan'i Shina sy Pôrtogaly tao Beijing mifanaiky hamindra ny fahefan'i Makaô ho an'i Shina amin'ny taona 1999.
- 2002 - Tany Venezoela, tafaverina tamin' ny fahefana indray ny Filoha Hugo Chávez rehefa nesorina tamin'ny toerany nandritra ny fanonganam-panjakana afak' omalin' ity andro ity.
- 2003 - Montsan' i Paula Radcliffe tao anatin' ny 2 ora, 15 minitra, ary 25 segondra tao London ny zavabita tsara indrindra tamin' ny hazakazaka Marathon, sokajy vehivavy.