Wikipedia:Efemerida/11 Aprily
Fiseho
Androany 11 avrily :

- 1865 : Nametrahan'i Louis Pasteur ny brevet amin'ny fomba famanàna divay antsoina taty aoriana hoe pasteurisation.
- 1899 - Navotsotr'i Espaina ho an'i Etazonia i Pôrto-Rikô, i Kiobà ary i Filipina vokatry ny ady nifanaovan'ny roa tonta
- 1951 : Nesorin'ny Filohan'i Etazonia Truman tamin'ny fibaikoana ny tafika tao Korea ny Jeneraly Douglas MacArthur.
- 2006 – Nanambara ny filoha Iraniana Mahmoud Ahmadinejad fa nahomby tamin'ny fanatsarana oraniôma ny fireneny.
- 2019: Nosamborin'ny polisy britanika tao amin'ny masoivoho Ekoadôreana any Londres i Julian Assange, Aostraliana mpahay siansa informatika sady mpitolona an'habaka, efa mizaka zom-pirenena Ekoadaoreana.
- 2023 – Nodarohan'ny tafika an'habakabaka Myanmar baomba ny tanànakelin'i Pazigyi, faritra Sagaing ao Myanmar ihany ka mponina 165 farafahakeliny no maty tamin'izany tifitra avy eny an'habakabaka izany.