Hankany amin'ny vontoatiny

Herizo Razafimahaleo

Avy amin'i Wikipedia

I Herizo Jossicher Razafimahaleo na Herizo Razafimahaleo dia teraka tamin'ny 21 Febroary 1955 tao Ihosy. Ary nodimandry ny 25 Jolay 2008. Teo amin'ny sehatra pôlitika no tena nahafanatarana azy. Filoha mpanorina ny antoko Leader Fanilo izy. [1]

  • Manana diplaoma MBA tao amin'ny University of Michigan
  • Manampahaizana nivoaka tao amin'ny Harvard et de Cambridge1,
  • Mpanolo-tsaina ara-toekarena teo amin'ny Fitondrana nandritra ny 1989-1991.
  • Nanangana ny antoko Leader Fanilo ny 1992
  • Minisitry ny Indostria sy ny Fizahantany izy tao amin'ny Governemantan'i Francisque Ravony ny 1993-1994.
  • Nanorina ny gazety L'Express de Madagascar ny 1995.
  • Minisitry ny Raharaham-Bahiny tao amin'ny Governemanta Rakotomavo ny 1997-1998

Maro ny orinasa malagasy natsangany tamin'ny fotoanandrony. Efa nilatsaka kandida ho filoham-pirenena ihany koa izy[2].

  1. ↑ Tantara malaza eto Madagasikara
  2. ↑ Tantara sy Tahiry an'i Madagasikara