Global Biodiversity Information Facility

Ny Global Biodiversity Information Facility (na GBIF) dia tetikasa siantifika iraisam-pirenena, natsangan' ny Organisation de coopération et de développement économiques (OCDE) ho fikambanana tamin' ny taona 2001, izay mikendry ny hanome ny fampahalalana rehetra fantatra momba ny karazan-javamananaina (angom-pandinihana na fanangonana momba ny biby ny zavamaniry, ny holatra, ny bakteria ary ny arkea). Ny fanapahan-kevitra noraisina tamin'ny fihaonambe maneran-tany momba ny fahasamihafan' ny zavamananaina tany Nagoya tamin' ny taona 2010 (Japàna) dia nanafaingana ny fampandrosoana ny GBIF.
Ny vavahadin-tserasera iraisam-pirenena GBIF, natomboka tamin' ny taona 2013, dia sehatra infôrmatika misokatra ho an' ny fitantanana angon-drakitra betsaka (Big data), ho an' ny fikarohana sy fifantenana angon-drakitra (Data mining) miaraka amin' ny finiavana hizara sy hisokatra (Open data); izy io dia manome fidirana an-tserasera amin' ny fijerena-fandinihana efa ho arivo tapitrisa amin' ny karazan-javamananaina miisa 1,5 tapitrisa mahery. Ireo angona ireo dia azo alaina maimaim-poana amin' ny fomba "open access" (aorian' ny fisoratana anarana tsy maintsy atao sy maimaim-poana).
Ny GBIF dia mpiara-miombon' antoka amin' ny Group on Earth Observation (na GEO). Izy io no singa momba ny fgahasamihafan' ny zavamananaina ao amin' ny fandaharan' asa mahafaobe kokoa toy ny Global Earth Observation System of Systems (GEOSS) na ny Group on Earth Observation Network (GEOBON) sady fototra amin' ny fananganana tolo-kevitra novolavolain' ny Intergovernmental Science-Policy Platform on Biodiversity and Ecosystem Services (IPBES) (mitovy amin' ny Intergovernmental panel on climate change (IPCC) ho an' ny toetany). Noho ny fananany angona azo idirana efa ho 400 tapitrisa tamin' ny Marsa 2013, ny GBIF no vavahadin-tserasera lehibe amin' ity sehatra ity (data.gbif.org).
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Tranonkala ôfisialy: https://www.gbif.org/