Ny fahafahana na fahalalahana dia ny toetran'ny olona tsy voageja sy tsy iharan'ny faneriterena fa afaka manao izay tiany araka ny sitrapony. Ny filôzôfia, ny sôsiôlôjia, ny teôlôjia ary ny taranja maro samihafa dia samy afaka mamaritra ny ataony hoe fahafahana na fahalalahana. Betsaka anefa ny zavatra mametra izany fahalalahana izany.

Ny fahalalahana ihany koa dia zo fototra sy toe-javatra manome fahafahana amin'ny olona iray haneho hevitra, hanapa-kevitra, na hihetsika araka ny sitrapony, raha tsy manitsakitsaka ny zon’ny hafa na ny lalàna mifehy ny fiarahamonina.

Karazana fahalalahana

hanova

Maro karazana ny fahalalahana, miankina amin’ny sehatra sy ny tontolo iainana iresahana azy:

1. Fahalalahana miteny

hanova

Ny fahafahan’ny olona maneho hevitra malalaka[1], na amin’ny teny, na amin’ny soratra, na amin’ny haino aman-jery, na amin’ny tambajotra sosialy. Anisan’ny zo voalaza ao amin’ny Lalàm-panorenana sy Fanjakana demokratika.

2. Fahalalahana mihetsika

hanova

Zo mahafahan’ny olona mivezivezy, mifindra toerana, mamorona fikambanana, manao hetsika, sy miditra amin’ny fiaraha-monina, araka ny safidiny.

3. Fahalalahana ara-pivavahana

hanova

Zo ananan’ny olona hino na tsy hino, hanao fivavahana na hanaraka finoana araka izay tiany, ary tsy hanery na hanery hafa hino toy izany koa.

4. Fahalalahana manokana

hanova

Fiainana manokana tsy tokony hotsabatsabahan’ny hafa, toy ny tsiambaratelo, fifandraisana manokana, sy ny fananany.

5. Fahalalahana ara-politika

hanova

Zo ananan'ny olona handray anjara amin’ny raharaham-pirenena, hifidy sy hifidianana, ary haneho hevitra momba ny fitondrana sy ny lalàna.

Fahalalahana sy andraikitra

hanova

Na dia manana fahalalahana aza ny olona iray, dia tsy midika izany hoe afaka manao izay tiany fotsiny. Mila mifanaja amin’ny fahalalahan’ny hafa sy manaja lalàna. Izany no mahatonga ny fahalalahana ho teny miampy andraikitra.

Fahalalahana ao amin’ny tantara

hanova

Tamin’ny tantaran’ny olombelona, ny fahalalahana dia notakiana sy niadiana hatrany:

  • Nisy andron’ny fanandevozana, izay tsy nananan’ny olona sasany zo hanana fahalalahana.
  • Nisy ihany koa ny adim-pirenena sy tolona ho an’ny fahaleovantena, izay notarihin’ny firenena te hahazo fahalalahana ara-pirenena sy ara-tsaina.
  • Tamin'ny tolona ara-politika sy ny hetsika sosialy, maro ireo olona sy vondrona niady ho amin'ny fahalalahana mitovy ho an'ny rehetra (toy ny zon'ny vehivavy, zon'ny olona mainty hoditra, sns).

Fahalalahana amin’ny fomba fijery ara-pivavahana sy filozofia

hanova

Amin'ny finoana sasany, ny fahalalahana dia fanomezana avy amin’Andriamanitra, ka ny olona dia natao ho afaka misafidy sy mitondra tena araka ny fahendrena sy finoany.

Amin'ny filozofia kosa, ny fahalalahana dia heverina ho fototry ny maha-olombelona sy fotokevitra iorenan’ny demokrasia.

Jereo koa

hanova
  • Zon'olombelona
  • Demokrasia
  • Fahafahana miteny
  • Lalàm-panorenana
  • Andraikitra ara-tsosialy
  1. ↑ https://mg.globalvoices.org/2025/04/01/173812/

Jereo koa

hanova