Ny etôlôjia dia sampan' ny siansa mikaroka sy mandinika ny fihetsika sy ny fitondran-tenana voaanaharin' ny biby, izany hoe ao amin' ny tontolo misy azy. Io taranja io dia manambatra fahalalana avy amin' ny biôlôjia, ny zôlôjia, ny sôsiôlôjia, ary indraindray ny psikôlôjia, mba hahazoana manazava ny antony sy ny fivoaran' ny fitondran-tenan' ny biby iray[1].

Impala lahy (Aepyceros melampus) miady

Tanjona sy sehatra iasany

hanova

Ny etôlôjia dia mikendry ny:

  • hahafantatra ny antony ara-tsiansa mahatonga biby iray hanao zavatra iray (toy ny fihetsiketsehana, fifandraisana, fihinanana, fiarovan-tena, sns.)
  • handinika ny fitondran-tena voajanahary sy ny fitondran-tena nianarana
  • handinika ny fifandraisan' ny biby [2]amin’ny hafa ao amin’ny vondrony
  • hitady ny anjara toerana sy lanjan’ny fitondran-tena amin’ny fiveloman’ny karazana iray

Mpikaroka malaza

hanova

Anisan' ny mpikaroka malaza amin' ny etôlôjia ireto:

  • Konrad Lorenz: anisan' ny rain' ny etôlôjia môderina, nahazo loka Nobel tamin' ny 1973.
  • Nikolaas Tinbergen: nanazava ny antony efatra amin' ny fitondran-tena: fiavian' ny fitondran-tena, fiasa ara-tsaina, fivoarana ara-potoana, ary soa azo amin' izany (fonction adaptative).
  • Jane Goodall: nandinika sy niara-niaina tamin' ny rajako chimpanzé (Pan troglodytes) tao Afrika.

Fomba fandalinana

hanova

Mampiasa fandinihana mivantana ny tontolo voajanahary sy fitsapana amin' ny laboratoara ny etôlôjia, amin' ny alalan' ny:

  • fanarahana biby [3]iray na vondrona biby;
  • firaketana sy famakafakana ny fihetsika (araka ny fotoana, antony, vokatra);
  • fanadihadiana amin' ny alalan' ny sary, horonan-tsary, na fitaovana siantifika hafa.

Sampana sy fampiharana

hanova

Ny etôlôjia dia ahitana taranja manokana toy ny:

  • etôlôjia ara-tsôsialy: fitondran-tenan' ny biby amin’ny fiaraha-monina;
  • etôlôjian' ny fiompiana: fitondran-tenan' ny biby fiompy;
  • etôlôjian' ny biby an-trano: famantarana ny filan' ny biby toy ny alika na saka;
  • etôlôjian' ny olombelona (indraindray): fitondran-tenan' ny olombelona amin' ny fomba ara-biôlôjia

Jereo koa

hanova

Rohy ivelany

hanova