Alakamisy
Ny Alakamisy dia andro fahefatra ao amin' ny herinandro raha ny Alatsinainy no andro voalohany fa andro fahadimy kosa raha ny Alahady no andro voalohany. Andro voalohany ny Alakamisy ho an' ny Malagasy mandala ny nentin-drazana tsy mandray ny Alatsinainy na ny Alahady ho andro voalohany amin' ny herinandro. Ny Malagasy talohan' ny fidiran' ny kolontsaina arabo sy ny kolontsaina tandrefana dia nisy nanao ny Alakamisy ho andro voalohany amin' ny herinandro.
Fiavian' ny teny
hanovaNy teny malagasy hoe Alakamisy na Lakamisy na Kamisy dia avy amin' ny teny arabo hoe الخميس / al-khamīs izay midika hoe "ny fahadimy".
Kolontsaina malagasy momba ny andro Alakamisy
hanovaLaharan' ny Alakamisy
hanovaNy andro Alakamisy ao amin' ny finoan-drazana malagasy
hanovaAndro tsara
hanovaAndro tsara ny Alakamisy: ny zavatra irina hisy soa mitontohitra no atao, alaina na santarina Alakamisy. Andro tsara ny Alakamisy fa manantena hisy. Andro fivoahan' ny Andriana sy fisantarana ny zavatr' Andriana, fisantaran-trano, fampakaram-bady, fiakaran' ny tafika sady fivoahany[1].
Andro ratsy
hanovaOhabolana momba ny andro Alakamisy
hanova- Ny Alakamisy an' Andriamanelo, ary ny Zoma an' Andriamananitany; ataoko fanjakana arindra.
- Ny maty no tsy alevina alakamisy sy alahady, ny velona no tandrovina.